Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Isaia 32:3 - Baiboly Katolika Ny mason’ny mahiratra tsy hohajambaina intsony, ny sofin’ny malady, hihaino tsara, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hikimpy ny mason’izay mahita ary hihaino ny sofin’izay mandre. DIEM PROTESTANTA Tsy hikimpy intsony ny mason’ny mahiratra ary hihaino tsara ny sofin’ny mandre. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hikimpy intsony ny mason’ny mahiratra ary hihaino tsara ny sofin’ny mandre. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy hikimpy ny mason’izay mahita, Ary ny sofin’izay mandre dia hihaino. Malagasy Bible Ary tsy hikimpy ny mason'izay mahita, ary ny sofin'izay mandre dia hihaino. La Bible en Malgache Tsy hikimpy ny mason’izay mahita ary hihaino ny sofin’izay mandre. |
Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: «Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.»
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.