Ny Andriamanitr’i Israely niteny, ny Vatolampin’i Israely niteny: Olo-marina mpanapaka ny olombelona izay manapaka amim-pahatahorana an’Andriamanitra,
Isaia 32:1 - Baiboly Katolika Indro misy mpanjaka hanjaka araka ny rariny; ary ny mpifehy hitondra araka ny hitsiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary araka ny rariny no hitondran’ny manampahefana. DIEM PROTESTANTA Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro hisy mpanjaka iray hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hanapaka araka ny hitsiny. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, Ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny. Malagasy Bible Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan'ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny. La Bible en Malgache Indro, araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary araka ny rariny no hitondran’ny manampahefana. |
Ny Andriamanitr’i Israely niteny, ny Vatolampin’i Israely niteny: Olo-marina mpanapaka ny olombelona izay manapaka amim-pahatahorana an’Andriamanitra,
Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny. Manamafy ny fahitsiana Ianao, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny eo amin’i Jakôba Ianao.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.
ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana, ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.
Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.
fa hisy lay mba hanalokaloka, amin’ny fidaindainan’ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.
Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;