Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.
Niakatra an’i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrôna, izay nisy an’i Akimàna sy i Sizaia ary i Tolmaia, taranak’i Enàka. I Hebrôna dia naorina fito taona talohan’i Tanisa any Ejipta.