dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.
Isaia 3:18 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, hoesorin’ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany dia hesorin’NY TOMPO ny firavaka rehetra: Ny fehin-tongotra, ny sarondoha, ny firavaka sarim-bolan-tsinana, DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, dia hoesorin’ny Tompo ny haingo rehetra fampiasan’ny andriambavilanitr’i Tsiôna, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana; Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany dia hesorin’i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolantsinana, Malagasy Bible Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, La Bible en Malgache Amin’izany andro izany dia hesorin’NY TOMPO ny firavaka rehetra: Ny fehin-tongotra, ny sarondoha, ny firavaka sarim-bolan-tsinana, |
dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.
Naniraka aza izy haka lehilahy avy lavitra, ary izay nandefasana iraka dia indreo izy tonga, ...dia ho an’ireo no nandroanao, nanentenanao ny masonao, nihaingoanao tamin’ny firavako!
Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba,
Dia hoy i Zebea sy i Salmanà: «Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany no heriny». Nitsangana i Jedeôna ka namono an’i Zebea sy i Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin’ny vozon-dramevan’ireo.
Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.