Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 26:18 - Baiboly Katolika

Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa tahaka ny nitera-drivotra izahay; tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, ary tsy niteraka mponina ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, Ka tsy niteraka ny mponina amin’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa tahaka ny nitera-drivotra izahay; tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, ary tsy niteraka mponina ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko



Isaia 26:18
12 Rohy Ifampitohizana  

Hoy izy ireo taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fanalam-baràka izao andro izao, fa ny zaza efa mby amin’ny hivoahany avy ao an-kibon-dreniny; nefa ny hery hiterahana azy tsy misy.


ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.


Torontoronina mololo ianareo, ka niteraka vodivary; ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo.


ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy.


Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.


Voan’ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.


Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.


Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.


Fa hoy i Saola: «Tsy misy olona hatao maty anio, fa androany no namonjen’i Iaveh an’i Israely.»


Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.