Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 26:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa tahaka ny nitera-drivotra izahay; tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, ary tsy niteraka mponina ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, Ka tsy niteraka ny mponina amin’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin'izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:18
12 Rohy Ifampitohizana  

hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›.


Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy mba tsy ho eo amin’ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin’izany ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!


Toy ny torontoronina vilona ianareo, ka miteraka mololo; koa ny fofonaiko no tahaka ny afo izay handevona anareo.


hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›


Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.


Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefàn’ilay Ratsy avokoa.


Fa hoy kosa i Saoly hoe: –Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty amin’ny andro toy izao, satria androany no nanomezan’ny TOMPO fandresena ho an’i Israely.


Fa hoy ny miaramila tamin’i Saoly: –Ho faty hoe i Jônatàna? Dia ilay nahatonga izao fandresena lehibe azon’i Israely izao! Sanatria azy izany! Fa velona ny TOMPO ka mianiana izahay fa tsy hisy singambolony na iray aza avelanay hilatsaka amin’ny tany, satria Andriamanitra mihitsy no nanampy azy tamin’izay nataony androany! Izany no nanafahan’ny miaramila an’i Jônatàna, ka dia tsy maty izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra