Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 24:4 - Baiboly Katolika

Ny tany misaona sy majifa; izao tontolo izao, milofika sy majifa; ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika ny olona ambony amin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin’ny tany koa ny habakabaka any ambony any.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin’ny tany koa ny habakabaka any ambony any.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin’ny olona etỳ an-tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona etỳ an-tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika ny olona ambony amin’ny tany.

Jereo ny toko



Isaia 24:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany i Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.


Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany, fa izany no teny notononin’i Iaveh.


Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.


Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»


Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin’i Arabah i Sarôna, manintsan-dravina i Basàna sy i Karmely.


Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.


Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»


Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.


Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.


Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.


Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary, mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.