Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 24:2 - Baiboly Katolika

Ary ho sahala ihany no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampitrosa sy ny mpitrosa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, Ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, Ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, Ny mpivarotra sy ny mpividy, Ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, Ny mpampanàna vola sy ny mpanàna vola.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampitrosa sy ny mpitrosa.

Jereo ny toko



Isaia 24:2
26 Rohy Ifampitohizana  

Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.


Nentin’i Nabokodonozora ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persa.


Noho izany, haetry ny olona, ary haiva ny olombelona: Eny, tsy hamela ny helony Ianao!


Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany, fa izany no teny notononin’i Iaveh.


Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;


Haetry ny olombelona, haongana ny olona, ary haondrika ny mason’ny mpiandranandrana;


Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany,


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.


Izany no tonga noho ny fahotan’ny mpaminaniny, sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka tao anatin’ny mandany ny ran’ny marina.


Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy; tsy nijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.


Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan’i Sôdôma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.


Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka; hofaizako izy, noho ny lalany ary hatsingeriko aminy ny asany.