Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 23:3 - Baiboly Katolika

Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila, ny vokatry ny ony, niditra ho hareny, tsenan’ny firenena izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teny amin’ny ranobe ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily ka nampiditra harena ho azy izy; ary tonga tsenan’ny firenena izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay afafy eny amoron’i Neily dia i Tsidôna no mioty azy; izy no mandray ny tombombarotr’ireo firenena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Teny amin’ny rano be ny varin’i Sihora, Dia ny vokatr’i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ny firenena izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teny amin’ny ranobe ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily ka nampiditra harena ho azy izy; ary tonga tsenan’ny firenena izy.

Jereo ny toko



Isaia 23:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Koa novorin’i Davida i Israely rehetra, hatramin’ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin’ny hadilalan’i Emata, haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kariatiarima.


Ny tanim-bilona manaraka an’i Nila ao amoron’i Nila, ny saha voafafy rehetra manaraka an’i Nila: ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.


Iza no nandidy izany, hamelezana an’i Tira izay nanome satroboninahitra; ary ny mpandrantony dia andriandahy, ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin’ny tany?


Sambatra ianareo mamafy eny rehetra eny anilan’ny rano, sy mamela ny tongotry ny omby aman’ampondra, hiriaria.


Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon’i Nila? Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?


Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao, nahavoky firenena maro ianao; amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao, nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.


tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao ianao; ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin’ny rakitrao;


Ary na zovy na zovy hiantso ny Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy; fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh, mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.


Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin’ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana.


hatramin’i Sikôra, izay eo atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Akarôna eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeanina; ny andrian’ny Filistinina dimy, ny an’i Gazà, ny an’i Azota, ny an’i Askalôna, ny an’i Geta, ny an’i Akarôna;