Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»
Isaia 21:7 - Baiboly Katolika Ary ny ho hitany dia mpitaingin-tsoavaly mpitaingin-tsoavaly mitaingina ampondra, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-drameva. Dia hijery amim-pitandremana izy, amim-pitandremana fatratra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nahita izy ka indreo kalesy fitondra miady, soavaly mandeha tsiroaroa sy boriky betsaka ary rameva betsaka; dia nihaino izy; eny, nihaino tsara; DIEM PROTESTANTA Raha kalesy tarihin-tsoavaly no tazany na koa boriky na rameva manao andiany, dia tokony ho mailo izy, eny, tokony ho mailo tsara.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha kalesy tarihin-tsoavaly no tazany na koa boriky na rameva manao andiany, dia tokony ho mailo izy, eny, tokony ho mailo tsara.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa Sy boriky andiany ary rameva andiany,– Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; Malagasy Bible Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; La Bible en Malgache Dia nahita izy ka indreo kalesy fitondra miady, soavaly mandeha tsiroaroa sy boriky betsaka ary rameva betsaka; dia nihaino izy; eny, nihaino tsara; |
Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
«Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ka tsy mampiditra entana, amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.