Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 21:8 - Baiboly Katolika

8 Dia niantso toy ny liona izy hoe: «Eto amin’ny tilikambo fitiliana no ipetrahako, ry Tompo, tsy an-kijanona tontolo andro mitsangana eto amin’ny fiambenana aho, isan’alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia niantso mafy nanao feon-diona izy hoe: Tompo ô! Mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako aho amin’ny antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: «Teo amin’ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin’ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: «Teo amin’ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin’ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia niantso mafy nanao feon-diona izy hoe: Tompo ô! Mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako aho amin’ny antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 21:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo amin’ny fitoeran’ny mpiambina mahatazana ny efitra i Jodà, dia nitodika irerỳ vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin’ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.


Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.


Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko, ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.


Fieron’ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.


Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.


Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.


Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»


Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.


Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?


Indro izy miakatra toy ny liona, avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva, fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao, ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao. fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy, ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?


Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra