Raiki-tahotra mafy izy rehetra nasain’i Adoniasa ka tafatsangana dia samy lasa nandeha amin’izay nalehany avy.
Isaia 21:4 - Baiboly Katolika mivadika ny foko, raiki-tahotra aho; ny alina niriko, natao fotoan’ny horohoro ho ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niemponempona ny foko, horohoro no nahazo ahy; navadiny ho fangovitana ny hariva niriko ho avy. DIEM PROTESTANTA Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany. Baiboly Protestanta Malagasy Niemponempona ny foko, Nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. Malagasy Bible Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. La Bible en Malgache Niemponempona ny foko, horohoro no nahazo ahy; navadiny ho fangovitana ny hariva niriko ho avy. |
Raiki-tahotra mafy izy rehetra nasain’i Adoniasa ka tafatsangana dia samy lasa nandeha amin’izay nalehany avy.
Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.
Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -
Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
Maraina ianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva ianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan’ny masonao.
Mova tsy ny voromahery manaitaitra ny zanany madinika sy manidintsidina eo ambonin’ny zanany no namelarany ny elany nandraisany azy, sy nitondrany azy teo ambonin’ny elany.