Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 21:13 - Baiboly Katolika

Faminaniana any Arabia. Any an-tanilemaka foana any Arabia ianareo no handry, ry andian’i Dedana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny loza hanjo an’i Arabia. Any anaty kirihitrala any Arabia no handrianareo, ry andian’ny Dedanita!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Arabia. Any an-ala any Arabia no andrianareo, Ry andian’ny Dedanita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny loza hanjo an’i Arabia. Any anaty kirihitrala any Arabia no handrianareo, ry andian’ny Dedanita!

Jereo ny toko



Isaia 21:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Kosy: i Saba, i Hevilà, i Sabata, i Regma ary i Sabatakà. Zanak’i Regma: i Saba.


I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima;


afa-tsy ny azony amin’ny mpandranto sy amin’ny varotry ny mpivarotra ambongadiny sy amin’ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany.


Zanaka lahin’i Setorà, vaditsindranon’i Abrahama: ny naterany dia i Zamrama, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaoka, ary i Soe. Zanak’i Jeksàna: i Sabà sy i Dadàna.


Zanak’i Kosa: i Sabà, i Hevilà, i Sabata, i Regmà ary i Sabatakà. Zanak’i Regmà: i Sabà sy i Dadàna.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.


Dia namaly ny tily nanao hoe: «Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania; tongava indray amin’ny fotoana hafa.»


Mandosira, miverena ilalana, mifitsaha ianareo, ry mponina any Dedana, fa hahatonga fandravana amin’i Esao Aho, amin’ny andro hamangiako azy.


Ny terak’i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.


(satria Agara no fiantso ny tendrombohitr’i Sinai any Arabia), ary i Agara dia ohatra amin’i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany.