Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
Isaia 2:22 - Baiboly Katolika Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona, fofonaina ihany no eo am-bavorony, koa zinona moa izy? DIEM PROTESTANTA Atsaharo ny fitokiana amin’olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Atsaharo ny fitokiana amin’olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory! Baiboly Protestanta Malagasy Mitsahara, fa aza mitoky amin’ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy? Malagasy Bible Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy? La Bible en Malgache Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona, fofonaina ihany no eo am-bavorony, koa zinona moa izy? |
Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony.
raha mbola manam-pofon’aina koa aho, ka mbola eo am-bavoroko ny fofon’ain’Andriamanitra;
Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy;
Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà
Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.
Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.
Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra; fa ambinina izay manao ny ratsy; maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.