Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?
Isaia 19:13 - Baiboly Katolika Ny mpanapaka an’i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an’i Memfisy efa voafitaka, ny tenan’izy ireo, vato fehizoron’ny karazam-pokon’i Ejipta no nandrebireby azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Adala ny mpanapaka any Zoana, voafitaka ny mpanapaka any Nofa, ary nampivembena an’i Ejipta ireo fehizoron’ny fireneny; DIEM PROTESTANTA Lasa adala ny printsin’i Tsôhàna ary tena voafitaka ny ao Memfisa; ireo filohan’ny faritaniny ireo ihany no nampivembena an’i Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lasa adala ny printsin’i Tsôhàna ary tena voafitaka ny ao Memfisa; ireo filohan’ny faritaniny ireo ihany no nampivembena an’i Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy Efa adala ny mpanapaka any Zoana, Efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’i Egypta ireo fehizoron’ny fireneny. Malagasy Bible Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. La Bible en Malgache Adala ny mpanapaka any Zoana, voafitaka ny mpanapaka any Nofa, ary nampivembena an’i Ejipta ireo fehizoron’ny fireneny; |
Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?
Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:
Torionareo any Ejipta, ampandreneso any Migdôla, ampandreneso any Nôfa sy any Tafnesa; ka lazao hoe: Milahara ianareo, ka miomàna; fa efa mandripaka sahady eny amin’ny manodidina anareo ny sabatra!
Fehezo ny entanao, entan-tambotra, ry mponina zanaka vavin’i Ejipta, fa indro i Nôfa ho zary tany efitra; hodorana izy, ka tsy hisy mponina intsony.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.
Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan’ny fandringanana: i Ejipta handray azy, ary i Memfisy handevina azy; ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin’ny beroberok’amboa ny lainy ho tongan’ny tsilo.
Avy aminy no hiavian’ny antoko-miaramila, avy aminy ny orin-kazo, avy aminy ny tsipìka fiadiana; avy aminy avokoa no hivoahan’ny filoha rehetra.
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro,
Hoy i Saola: «Avia atỳ ianareo rehetra loholon’ny vahoaka. Zahao ka fantaro izay fahotana natao androany.