Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 17:7 - Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany ny olona hijery any amin’Ilay nahary azy, ary hibanjina ny Masin’i Israely ny masony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’izany andro izany, dia hitodika amin’Ilay Mpahary azy ny olona ary hanandratra ny masony ho amin’ilay Masin’i Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’izany andro izany, dia hitodika amin’Ilay Mpahary azy ny olona ary hanandratra ny masony ho amin’ilay Masin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, Ary ny masony hijery ny Iray Masin’ny Isiraely,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony.

Jereo ny toko



Isaia 17:7
21 Rohy Ifampitohizana  

Miherikerika ireny fa tsy misy mamonjy! Mitaraina amin’i Iaveh fa tsy valiany akory!


Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.


Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.


Hikapoka an’i Ejipta i Iaveh, sady hikapoka no hanasitrana! Hibebaka amin’i Iaveh izy ireo, ka hety hionona amin’ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.


Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo, halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.


Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»


Andeha isika hiverina amin’i Iaveh;


Izao no lazain’i Iaveh: «Toy ny fanatsoakan’ny mpiandry ondry, avy eo am-bavan’ny liona ny ranjo roa na tendron-tsofina iray, no famonjy ny zanak’i Israely izay mipetraka ao Samaria, eo an-joron’ny sezabe, eo ambonin’ny ondana avy any Damasy.»


Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh, hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.