Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 19:22 - Baiboly Katolika

22 Hikapoka an’i Ejipta i Iaveh, sady hikapoka no hanasitrana! Hibebaka amin’i Iaveh izy ireo, ka hety hionona amin’ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Eny, raha mamely ny Ejiptiana NY TOMPO dia sady hamely Izy no hanasitrana; dia hiverina ho any amin’NY TOMPO ireo ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, Eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’i Jehovah ireo, Ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Eny, raha mamely ny Ejiptiana NY TOMPO dia sady hamely Izy no hanasitrana; dia hiverina ho any amin’NY TOMPO ireo ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 19:22
21 Rohy Ifampitohizana  

«Miverena ianao, ka lazao amin’i Ezekiasa mpanapaka ny vahoakako hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao, ka indro sitraniko ianao; ao anatin’ny hateloana dia hiakatra ao an-tranon’i Iaveh ianao,


Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.


Fa mandratra Izy, ary mamehy ny ratra; mikapoka Izy, ary manasitrana amin’ny tanany.


Ary i Faraôna nampaka an’i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mangataha amin’i Iaveh mba hanesorany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako, fa halefako mandeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin’i Iaveh.»


Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina.


Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.


Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.


Izao no lazain’i Iaveh: «Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia, sy ny Sabeanina olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompona aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho; hitari-dalana azy, ary hamerina aminy ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.


Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».


Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Rehefa tapitra ny efapolo taona, hangoniko ny Ejiptianina avy any amin’ny firenena nielezany,


Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.


Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.


fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.


Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.


Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra