Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka, sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.
Isaia 17:11 - Baiboly Katolika Amin’ny andro ambolenao azy dia fefenao manodidina izy, ary ny ampitso maraina, dia mampamony ny voa nafafinao ianao; kanjo tsy azonao ny vokatra amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo ny voly; ary vao maraina iny ihany, dia hitanao nitsimoka ny voa. Kanjo tonga ny andron’ny loza ka nanjavona ny vokatra ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo ny voly; ary vao maraina iny ihany, dia hitanao nitsimoka ny voa. Kanjo tonga ny andron’ny loza ka nanjavona ny vokatra ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, Ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; Nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. Malagasy Bible Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. La Bible en Malgache tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana. |
Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka, sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.
Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin’ny lohasahan-dRefaima.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
Voa i Efraima, maina ny fakany, tsy hanoa intsony izy ireo; ary na dia miteraka aza izy, hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.
Maina tao ambany bainga ny voa nafafy; foana ny sompitra; mirodana ny trano fitahirizana, satria mangaihay ny vary.
Ho lany maina ny herinareo, fa ny taninareo tsy hahavokatra, ny hazo amin’ny tany tsy hamoa ny voany.
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
Hamboly voaloboka ianao, sy hanolikoly azy koa, fa tsy hisotro ary tsy hioty na inona na inona akory, satria hohanin’ny fositra ireny.