Isaia 17:5 - Baiboly Katolika5 Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin’ny lohasahan-dRefaima. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany ka jinjain’ny sandriny ny salohim-bary; eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA5 Ho tahaka ny amoriana ny vary amin’ny fararano sy anangonana ny salohim-bary eo an-trotroana izany; eny, ho tahaka ny anangonana salohim-bary ao amin’ny lohasahan’ny Refaita izany, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Ho tahaka ny amoriana ny vary amin’ny fararano sy anangonana ny salohim-bary eo an-trotroana izany; eny, ho tahaka ny anangonana salohim-bary ao amin’ny lohasahan’ny Refaita izany, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany, Ka tangosan’ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny Lohosahan’ny Refaïta; Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany ka jinjain’ny sandriny ny salohim-bary; eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny lohasahan’ny Refaìta. Jereo ny toko |
Ary ny faritry ny tany niakatra eo amin’ny lohasahan’i Ben-Enôma, hatrany amin’ny kisolosolo atsimon’ny Jeboseanina, dia i Jerosalema; avy eo dia nisondrotra ny faritry ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra manandrify ny lohasaha Enôma eo andrefany, sy amin’ny faran’ny tany lemaky ny Refaima eo avaratra.
dia nidina ny faritra avy any amin’ny faran’ny tendrombohitra izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Enôma, ao amin’ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin’ny lohasahan’i Enôma, mankamin’ny kisolosolo atsimon’i Jeboseanina, dia nidina hatrany amin’ny loharanon’i Rogela;