Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
Isaia 13:14 - Baiboly Katolika Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, ary ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpamory ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy; eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy; DIEM PROTESTANTA Amin’izany ny olona ho tahaka ny gazela hazaina na ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpiandry, ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy sy handositra any amin’ny taniny avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany ny olona ho tahaka ny gazela hazaina na ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpiandry, ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy sy handositra any amin’ny taniny avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, Sy ho tahaka ny ondry aman-osy tsy misy mpamory, Ka dia samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy, Eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy. Malagasy Bible Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy. La Bible en Malgache Dia ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, ary ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpamory ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy; eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy; |
Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran’ny toby izao antsoantso izao; «Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin’ny taniny avy!»
Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe. Kanjo rahonany ireny, dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.
Fa izy nandositra teo anatrehan’ny sabatra, teo anatrehan’ny sabatra voatsoaka, teo anatrehan’ny tsipìka voahenjana, teo anatrehan’ny ady mahatsiravina.
Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena, ireo nifampiraharahanao, hatramin’ny hatanoranao: samy mipariaka amin’izay alehany avy izy, fa tsy misy hamonjy anao!
Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.
Aringano ao Babela izay mamafy, sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano. Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy; samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!
Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika, nefa tsy sitrana izy; ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy. Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy, sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.
Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’i Asiria; mivalandotra ny lehilahy maherinao; mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao; sady tsy misy olona mamory azy.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.