Isaia 12:3 - Baiboly Katolika Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena. DIEM PROTESTANTA Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin’ny loharanom-pamonjena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin’ny loharanom-pamonjena. Baiboly Protestanta Malagasy Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano Amin’ny loharanom-pamonjena. Malagasy Bible Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena. La Bible en Malgache Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena. |
Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala, ny malalako eo amin’ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.
Hampiboiboika renirano, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho, ary loharano eo afovoan’ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.
tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Ny zava-manana aina mihetsiketsika any amin’izay halehan’ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan’ny ony maria.
Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna.
Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina!
Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.