Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.
Isaia 10:25 - Baiboly Katolika Fa rehefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana. DIEM PROTESTANTA fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, Ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa. Malagasy Bible Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa. La Bible en Malgache Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana. |
Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.
Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy.
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, - mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.