Isaia 10:24 - Baiboly Katolika24 Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA24 Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Izany no antony ilazan’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an’i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon’ny Ejiptianina taminao fahiny; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, Raha mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao, Tahaka ny fanao tany Egypta; Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin'ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache24 Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona*, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta. Jereo ny toko |