Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Isaia 10:15 - Baiboly Katolika Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo! DIEM PROTESTANTA Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy! Baiboly Protestanta Malagasy Ny famaky va hirehareha amin’izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! Malagasy Bible Ny famaky va hirehareha amin'izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin'izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! La Bible en Malgache Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo! |
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe: «Tsy nanao ahy izy». sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe: «Tsy mahalala na inona na inona izy?»
Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -
Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»
Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.
Ianao va mbola hilaza hoe: «Andriamanitra aho,» eo anatrehan’ny mpamono anao; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tanan’izay mamono anao?