Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 29:16 - Baiboly Katolika

16 Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe: «Tsy nanao ahy izy». sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe: «Tsy mahalala na inona na inona izy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Endre izato hadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ny novolavolaina va hilaza izay namolavola azy hoe: Tsy namolavola ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Oadray ity hadalànareo e! Ny mpanefy ve hoheverinareo hitovy amin’ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin’ny mpanao azy hoe: «Tsy ianao no nanao ahy»? na ny fanaka bakoly hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: «Tsy misy zavatra hainao akory»?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Oadray ity hadalànareo e! Ny mpanefy ve hoheverinareo hitovy amin’ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin’ny mpanao azy hoe: «Tsy ianao no nanao ahy»? na ny fanaka bakoly hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: «Tsy misy zavatra hainao akory»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, Ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 29:16
9 Rohy Ifampitohizana  

Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.


Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!


Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.


Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!


Nony tsy nahita azy roa lahy izy ireo, dia i Jasôna sy ny havana iray finoana sasany no notarihiny ho any amin’ny lehiben’ny tanàna, nampangainy hoe: «Tonga atỳ koa irony olona mpanakorontam-bahoaka irony,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra