Isaia 1:10 - Baiboly Katolika Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry mpitsaran’i Sôdôma; mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika, ry vahoak’i Gômôra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora! DIEM PROTESTANTA Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra: Baiboly Protestanta Malagasy Mandrenesa ny tenin’i Jehovah, ry mpitsaran’i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gomora. Malagasy Bible Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora. La Bible en Malgache Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora! |
Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry olona mpananihany, lehiben’ny vahoaka eto Jerosalema.
Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa nahita zava-mahatsiravina Aho, fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga, mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy, mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo. Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma; ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.
Ry zanak’olona, maminania mamely an’ireo mpaminanin’i Israely izay maminany; ka lazao amin’ireo izay maminany avy amin’ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo:
Ny zokinao vavy, monina ao ankavianao, dia i Samaria mbamin’ny zanany vavy; ary i Sôdôma mbamin’ny zanany vavy no zandrinao vavy monina eo ankavananao.
Fa izao no helok’i Sôdôma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan’izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy.
Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh ny aminareo, ry zanak’i Israely, ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:
Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
Moa tsy toy ny taranaky ny Kosita va ianareo, raha amiko, ry zanak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Moa i Israely va, tsy nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, sy ny Filistinina avy tany Kafitôra, ary ny Sirianina avy tany Kira?
Hoy aho: Mihainoa ianareo, ry loholon’i Jakôba, mbaminareo mpanapaka ny taranak’i Israely! Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,
Ary izany no nilazan’i Izaia rahateo hoe: «Raha tsy namelàn’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, efa tonga iray lasitra tamin’i Sôdôma, sy nanahaka an’i Gômôra.»
Fa karazam-boaloboka avy any Sôdôma no foto-boalobony, sy avy any amin’ny sahan’i Gômôra; voaloboka misy poizina no mba voalobony, sampaho mangidy no mba azy.
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta, eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.