«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Hosea 8:12 - Baiboly Katolika Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako, dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany. DIEM PROTESTANTA Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ny lalàko aza, Dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. Malagasy Bible Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. La Bible en Malgache Na dia soratako ho azy aza ny antsipiriany amin’ny lalànako, dia ataony ho toy ny avy amin’olon-kafa izany. |
«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra, torohevitra amam-pampianarana ho anao?
Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.
Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy.
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.