Raha mba mitraka aho, enjehinao toy ny fanaon’ny liona, dia foteranao ampijaliana lozan-tany indray.
Hosea 13:7 - Baiboly Katolika Izaho kosa amin’izy ireo, dia ho toy ny liona, ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dalana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy; DIEM PROTESTANTA Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantèra mamitsaka amoron-dalana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantèra mamitsaka amoron-dalana. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, Toy ny leoparda amoron-dàlana no famitsako. Malagasy Bible Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako. La Bible en Malgache Ho tonga toy ny liona aminy Aho; eny, toy ny leoparda amoron-dalana no hijokoako azy; |
Raha mba mitraka aho, enjehinao toy ny fanaon’ny liona, dia foteranao ampijaliana lozan-tany indray.
Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.
Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»
Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.
Fa ho tahaka ny liona Aho, amin’i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin’ny taranak’i Jodà. Izaho dia Izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.
Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby? Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
Efa nierona ny liona, ka zòvy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Iaveh, ka iza no tsy haminany?
Sahala amin’ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr’orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen’ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.