Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.
Hosea 12:13 - Baiboly Katolika Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakôba; nanompo mba hahazoany vady i Israely; dia niandry ondry izy hahazoany vady. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakoba, nanompo hahazoany vady Israely; eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy. DIEM PROTESTANTA Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tany Mezôpôtamia ambony no nandosiran’i Jakôba; fa mba hahazoany vady, dia nanompo olona i Israely. Eny, lasa mpiandry ondry izy mba hahazoam-bady. Baiboly Protestanta Malagasy Jakoba nandositra ho any amin’ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, Eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman-osy. Malagasy Bible Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy. La Bible en Malgache Nandositra ho any amin’ny tany Arama i Jakoba, nanompo hahazoany vady Israely; eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’osy. |
Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.
Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely, ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala, izay nanolorany emboka, tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona, sy nanarahany ny lehilahiny; fa Izaho kosa nohadinoiny, - teny marin’i Iaveh. -
Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Taorian’ny nahatongavan’i Jakôba tany Ejipta, dia nitaraina tamin’i Iaveh ny razanareo, ka naniraka an’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy tamin’ity tany ity.