Hosea 11:3 - Baiboly Katolika Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy. DIEM PROTESTANTA Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha– Eny, notrotroiko tamin’ny sandriko aza izy– Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. Malagasy Bible Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. La Bible en Malgache Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy. |
Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko.
Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.
«Mihainoa ahy, ry taranak’i Jakôba, mbaminareo sisa rehetra amin’ny taranak’i Israely; ianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka, nentiko hatrany an-kibon-dreninareo.
Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahoana no tsy nasiana bandy ny zanaka vavin’ny oloko?
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanao amin’ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.
Fony Aho nitady hanasitrana an’i Israely no nihariharian’ny haratsian’i Efraima sy ny haratsiam-panahin’i Samaria: fa ny lainga ataony fanao; ny mpangalatra miditra an-trano, ny jiolahy mikarenjy eny ivelany.
Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.
ary tany an’efitra koa; ary hitanao tao izay nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa toy ny fitondran’ny olona ny zanany, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, hatramin’ny nahatongavanareo amin’ity toerana ity.
Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.
Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.