Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka, sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.
Hosea 10:13 - Baiboly Katolika Fa ianareo niasa ny faharatsiana, nijinja ny faharatsiana, nihinana ny vokatry ny lainga. Nitoky tamin’ny lalanao ianao, sy tamin’ny hamaroan’ny lehilahy maherinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao DIEM PROTESTANTA Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao. Baiboly Protestanta Malagasy Niasa faharatsiana hianareo, Ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga hianareo Fa nitoky tamin’ny alehanareo Sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinareo hianareo. Malagasy Bible Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo. La Bible en Malgache Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao |
Raha izaho, ny hitako, dia izay miasa heloka, sy ireo efa mamafy tsy fahamarinana, no mijinja ny vokatr’izany.
Tsy ny hamaroan’ny miaramilany no ahazoan’ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan’ny mpiady;
ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao, dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona. - Selà
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
Ny lela mpilaza ny marina haharitra mandrakizay; fa ny lela fandainga kosa, ho voakorokoro poa toy izay.
Ny vokatry ny vavan’ny olona, no itsentsefany ny soa; fa ny irin’ny mpamadika dia ny hanaovana an-keriny.
Ny vavolombelona mandainga, tsy ho afa-maina, ary izay milaza lainga koa, tsy ho afa-mandositra.
Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.
Amin’ny andro ambolenao azy dia fefenao manodidina izy, ary ny ampitso maraina, dia mampamony ny voa nafafinao ianao; kanjo tsy azonao ny vokatra amin’ny andron’ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty!
Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako.