Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 5:3 - Baiboly Katolika

ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho izany fahalemen’ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an’ny tenany koa, toy ny ataony ho an’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany fahalemen’ny tenany izany, dia tsy maintsy manolotra sorona fanalana ny fahotana izy ho an’ny tenany koa, toy ny ataony ho an’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary noho izany dia tsy maintsy hanolotra fanatitra hanafaka ota ho an’ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ny olona ihany.

Jereo ny toko



Hebreo 5:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hovonoiny ny osy lahy, sorona noho ny ota, izay ho an’ny vahoaka, ka hoentiny miditra ao amin’ny efitra lamba ny rany, hataony tahaka ny nanaovany ny ran’ny ombalahy; dia hafafiny amin’ny fanaovam-panavotana.


Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»


Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;


fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;


ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.


fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.