Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Levitikosy 9:7 - Baiboly Katolika

7 Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Manatòna ny ôtely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe: –Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hoy Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: Manatòna ny alitara ka atolory ny fanatitra fanadiovana avy aminao sy ny fanatitra dorana manontolo dia manaova fanavotana ho an’ny tenanao sy ho an’ny olona; atolory ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Levitikosy 9:7
12 Rohy Ifampitohizana  

«Koa hatolotr’i Aarôna ny ombalahy atao sorona noho ny ota, izay ho azy, dia hanaovany ny fanonerana ho azy sy ny ankohonany. Rehefa avy namono ny ombalahy sorona noho ny ota izy,

dia handro amin’ny rano izy, vao hiakanjo ny fanamiana indray.

Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.

Raha mpisorona efa voahosotra no nanota, ka nahameloka ny vahoaka amin’izany, dia vantotr’ombalahy iray tsy misy kilema no hatolony amin’i Iaveh, noho ny otany, ho sorona fanonerana.

Izao atao anio izao, dia nodidian’i Iaveh hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo.

ka hoy izy tamin’i Aarôna: «Makà ianao zanak’omby tanora hatao sorona noho ny ota, sy ondralahy iray hatao sorona dorana izay samy tsy manan-kilema, ka atolory eo anatrehan’i Iaveh.

Fa rehefa mety ho mpisorom-be ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,

ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.

fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.

Izany no nianianako tamin’ny tranon’i Helì fa tsy ho azo honeran’ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon’i Helì.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra