Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 10:8 - Baiboly Katolika

Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Voalohany indrindra dia hoy i Kristy: «Tsy nilainao sady tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, ary ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona ho fanalana ny ota»; kanefa ireo rehetra ireo dia natolotra araka ny lalàna avokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Voalohany indrindra dia hoy i Kristy: «Tsy nilainao sady tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, ary ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona ho fanalana ny ota»; kanefa ireo rehetra ireo dia natolotra araka ny lalàna avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Rehefa nolazainy teo hoe: ,,Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra noho ny ota’’ (dia ireny aterina araka ny lalàna) ,,no tsy ilainao ary tsy sitrakao’’,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny,

Jereo ny toko



Hebreo 10:8
4 Rohy Ifampitohizana  

Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.


ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy ianao;