Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,
Hagay 1:2 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana, ny fotoana hanaovana ny tranon’i Iaveh indray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ity firenena ity dia niteny hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana tokony hananganana indray ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ny vahoakan’ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ny vahoakan’ity firenena ity milaza fa tsy mbola tonga ny fotoana hananganana indray ny tranoko.» Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ity firenena ity dia niteny hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana tokony hananganana indray ny tranon’NY TOMPO. |
Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,
Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, i Samsaì, mpanoratra, ary ireo namany, ny kôpian’ny taratasin’i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin’ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa.
Hatramin’izay andro izay dia ny antsasaky ny oloko ihany no nanao ny asa, fa ny antsasany kosa nitana lefona aman’ampinga sy tsipìka aman’akanjo fiarovan-tratra, ary ny filohany dia samy teo ivohon’ny fianakavian’i Jodà rehetra.
Ny tahotra olombelona, misy fandrika anatiny; fa ny matoky amin’i Iaveh, no tafatoetra tsy misy hatahorany.
Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy, ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.
Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:
Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy: «Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany, fa mahery noho isika izy.»