Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hagay 1:10 - Baiboly Katolika

Noho izany ny lanitra tsy nandefa ny ando ho anareo, ary ny tany mandà tsy hanome ny vokany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noho izany dia nitsahatra tsy hampilatsaka ando ny lanitra eo amboninareo ary nitsahatra tsy hahavokatra ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izany no tsy nisian’ny orana latsaka na zavatra naniry.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izany no tsy nisian’ny orana latsaka na zavatra naniry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ny tany tsy hahavokatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noho izany dia nitsahatra tsy hampilatsaka ando ny lanitra eo amboninareo ary nitsahatra tsy hahavokatra ny tany.

Jereo ny toko



Hagay 1:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»


Nony mihantona ny andro ka tsy milatsaka ny orana, noho ny nataon’izy ireo taminao, raha mivavaka aminao eto amin’ity fitoerana ity izy, sy manome voninahitra ny Anaranao, sady miala amin’ny fahotany, fa nampahorinao,


Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an’ireny; hitady an’ireny izy fa tsy hahita azy. Izay izy vao hanao hoe: «Handeha aho hody any amin’ny vadiko taloha, fa niadana aho tamin’izany noho ny ankehitriny.»


Horavako ny reharehan’ny herinareo; hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo.


Namafy be ianareo, fa nijinja kely; mihinana, fa tsy ampy hahavoky; misotro, fa tsy ampy hahafa-po; mitafy, fa tsy ampy hanafàna; ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.