Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Genesisy 9:26 - Baiboly Katolika Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony! DIEM PROTESTANTA Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. Malagasy Bible Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. La Bible en Malgache Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony! |
Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»
ary ny rahalahinao no hotompoinao. Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany, ka ho tapakao ho afaka amin’ny vozonao iny.»
dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.
azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô! izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Koa ankehitriny, voaozona ianareo, ka tsy misy aminareo tsy ho andevo, hikapa hazo sy hantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitra».
Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.