Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 9:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 9:26
15 Rohy Ifampitohizana  

Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.


nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.


Hanompo anao anie ireo firenena ary hiankohoka eo anatrehanao ny vahoaka maro! Ho tompon’ny rahalahinao anie ianao ka hiankohoka eo anoloanao ireo zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay manozona anao ary hohasoavina izay manisy soa anao!


Namaly azy i Itsehàka hoe: –Efa nataoko ho tomponao izy ary nomeko ho mpanompony ny rahalahiny rehetra. Nomeko azy koa ny vary aman-divay. Koa tsy misy azoko atao ho anao intsony, anaka!


Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao. Nefa hiavo-tena ianao ka hanapotika ny ziogany hiala amin’ny vozonao.»


Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.


Sambatra ny firenena izay hahazo fanambinana toy izany! Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!


ary koa manana ny razana niavian’i Kristy ara-nofo, dia i Kristy Ilay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra ankalazaina mandrakizay. Amen!


Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.


saingy tanindrazana tsara lavitra no irîny, dia ilay tanindrazana any an-danitra. Izany no tsy mahamenatra an’Andriamanitra ny hantsoina hoe «Andriamanitr’izy ireo», satria olona efa nanamboarany tanàna ireo.


Ankehitriny dia voaozona ianareo, ka tsy hitsahatra ny hanompo, satria ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro ianareo.


Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra