Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Genesisy 9:25 - Baiboly Katolika ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy: Ho voaozona anie i Kanana! Ho tena mpanompon’ny rahalahiny anie izy! DIEM PROTESTANTA dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahàna! Aoka izy ho faraidiny amin’ireo mpanompon’ny rahalahiny! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahàna! Aoka izy ho faraidiny amin’ireo mpanompon’ny rahalahiny! Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ny rahalahiny izy. Malagasy Bible Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy. La Bible en Malgache Dia hoy izy: Ho voaozona anie i Kanana! Ho tena mpanompon’ny rahalahiny anie izy! |
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
Ny zanak’i Nôe nivoaka tao an-tsambo fiara dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta; ary i Kama no rain’i Kanaana.
Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.
Niamboho ny tavan’izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nôe dia nahare izay nataon-janany faralahy taminy,
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon’ny ota;
Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Hozonina ny aloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny teraky ny biby fiompinao lehibe sy madinika.
Koa ankehitriny, voaozona ianareo, ka tsy misy aminareo tsy ho andevo, hikapa hazo sy hantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitra».
Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.