Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.
Genesisy 9:19 - Baiboly Katolika Izy telo lahy ireo no monina amin’ny tany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa. Avy tamin’ireo no nielezan’ny olona tetỳ ambonin’ny tany rehetra. DIEM PROTESTANTA Izy telo lahy ireo no zanak’i Noà, ary avy tamin’ireo no niparitahan’ny olombelona eran-tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy telo lahy ireo no zanak’i Noà, ary avy tamin’ireo no niparitahan’ny olombelona eran-tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa; ary avy tamin’ireo no nielezan’ny olona tambonin’ny tany rehetra. Malagasy Bible Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra. La Bible en Malgache Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa. Avy tamin’ireo no nielezan’ny olona tetỳ ambonin’ny tany rehetra. |
Izao no taranak’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanak’i Nôe. Nitera-dahy izy ireo taorian’ny safodrano.
Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»
Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»