Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Genesisy 50:2 - Baiboly Katolika Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo. DIEM PROTESTANTA Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba, Baiboly Protestanta Malagasy Ary nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’Isiraely ny mpanao fanafody. Malagasy Bible Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody. La Bible en Malgache Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo. |
Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.
Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.
Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.
Izy no nampidina izany zava-manitra izany tamiko, dia ny mba handevenana Ahy no nanaovany an’izany.
Ary rehefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba, ary i Salôme, mba handeha hanosotra ny vatan’i Jesoa.
Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana izy ireo nitondra ny zava-manitra efa namboariny,
Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.