Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 50:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’Isiraely ny mpanao fanafody.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 50:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»


Dia nihohoka teo amin’ny tavan’ny rainy i Jôsefa, ary nitomany sady nanoroka azy.


Maty i Jôsefa, rehefa feno 110 taona. Nohosorana zava-manitra ny fatiny; ary tao anaty vata vato no nametrahana azy tany Ejipta.


dia nalevina tao amin’ny fasana izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida. Nampandrina teo amin’ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon’ny mpiangaly an’izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.


Naidin’ity vehivavy ity tamin’ny tenako iny ilomanitra iny, ary mba hamboarany Ahy halevina no nanaovany an’izany dieny mialoha.


Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina.


Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin’i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an’i Jesoa.


Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany.


Fa hoy i Jesoa: –Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra