Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 50:3 - DIEM PROTESTANTA

3 nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 50:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao Gôrena-Atàda, any am-pitan’i Jôrdàna izy ireo. Tao no nankalazany tamin’ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an’i Jakôba, fa naharitra fito andro ny fisaonan’i Jôsefa an-drainy.


Nony afaka ny andro fisaonana, dia hoy i Jôsefa tamin’ireo olona akaikin’ny Farao: –Raha mba mahita sitraka aminareo aho, dia mba ampitao amin’ny Farao izao teniko izao:


Rehefa tsinjon’ny fiangonana manontolo fa maty i Aharôna, dia nisaona azy nandritra ny telopolo andro ny taranak’i Israely rehetra.


hanaisotra ny fitafiany tamin’ny nahababo azy sy hiova akanjo, ary hitoetra ao amin-dralehilahy. Mandritra ny iray volana dia hisaona ny ray aman-dreniny ravehivavy; aorian’izany ralehilahy vao hahazo manatona azy sy hampakatra azy ary hanana azy ho vady.


Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra