Genesisy 49:5 - Baiboly Katolika I Simeôna sy i Levy dia mpirahalahy, Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Simeona sy i Levy dia niray saina; fiadiana mandoza ny sabany; DIEM PROTESTANTA I Simehôna sy i Levỳ dia mpirahalahy niray tetika hanao herisetra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Simehôna sy i Levỳ dia mpirahalahy niray tetika hanao herisetra; Baiboly Protestanta Malagasy simeona sy levy dia mpirahalahy, Fiadia-mandoza ny sabany; Malagasy Bible SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany; La Bible en Malgache I Simeona sy i Levy dia niray saina; fiadiana mandoza ny sabany; |
Manolotra ny sisin-tanin’i Benjamina, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Simeôna.
Ireo sy ny tany manodidina azy no nomen’ny zanak’i Israely tamin’ny loka, ho an’ny taranak’i Levỳ, araka ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.
12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;