Ny omby vavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main’ny rivotra avy any atsinanana koa, dia ho fito taona mosarena.
Genesisy 47:23 - Baiboly Katolika Dia hoy i Josefa tamin’ny vahoaka: «Voavidiko androany ho an’i Faraôna ianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Josefa tamin’ny olona: Indro, efa voavidiko ho an’i Farao androany ianareo sy ny taninareo; koa indreny ny voa hafafinareo ka fafazonareo ny tany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Josefa tamin’ny olona: Indro, efa voavidiko andro-any hianareo sy ny taninareo ho an’i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. Malagasy Bible Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. La Bible en Malgache Dia hoy i Josefa tamin’ny olona: Indro, efa voavidiko ho an’i Farao androany ianareo sy ny taninareo; koa indreny ny voa hafafinareo ka fafazonareo ny tany. |
Ny omby vavy fito saozanina sy ratsy tarehy niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ny salohim-bary foana sy main’ny rivotra avy any atsinanana koa, dia ho fito taona mosarena.
Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.
Ny tanin’ny mpisorona no hany sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin’i Faraôna ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen’i Faraôna azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny.
Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»
Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.
Izay tsy mamoaka ny variny ozonin’ny vahoaka, fa ny lohan’izay mivarotra azy no idinan’ny tso-drano.
Ny tany voasan’ny mahantra, ahazoan-kanina be; ny sasany kosa ringana, noho ny tsy fahamarinany.
Vao maraina dia afafazo ny voanao, ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tananao, fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na irỳ, na samy ho vanona aza izy roa tonta.
Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
«Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo;