Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»
Genesisy 47:15 - Baiboly Katolika Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tapitra avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana dia nankeo amin’i Josefa ny Ejiptiana rehetra ka niteny hoe: Omeo hanina re izahay! Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? Efa lany avokoa ny vola! DIEM PROTESTANTA Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Egypta sy tany amin’ny tany Kanana, dia nankeo amin’i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. Malagasy Bible Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. La Bible en Malgache Rehefa tapitra avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanana dia nankeo amin’i Josefa ny Ejiptiana rehetra ka niteny hoe: Omeo hanina re izahay! Nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? Efa lany avokoa ny vola! |
Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»
Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»
Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»
Matokia an’i Iaveh, ary manaova soa; monena amin’ny tany ary manaràna fo amin’ny fahatokiany.
izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna».
Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin’ny olona toraka ny teo; fa novalian’ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin’ny olona tany Sokôta ihany koa.
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.
Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin’izay mety ho hitan’ny tananao, ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»