Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 21:3 - Baiboly Katolika

3 Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka dia efa nanome raharaha ahy ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nampanaoviko anao, koa nasaiko nankarỳ ny zatovoko.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Dia novalian’i Davida hoe: –Ny mpanjaka no efa nanome baiko ahy hoe: «Aoka tsy hisy hahafantatra mihitsy izao asa anirahiko anao izao!» Izany no nanomezako fotoana ireo tovolahy namako ireo amina toerana iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia novalian’i Davida hoe: –Ny mpanjaka no efa nanome baiko ahy hoe: «Aoka tsy hisy hahafantatra mihitsy izao asa anirahiko anao izao!» Izany no nanomezako fotoana ireo tovolahy namako ireo amina toerana iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia hoy Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankarỳ ny zatovoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr'olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 21:3
4 Rohy Ifampitohizana  

Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: «Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»


Nahoana re no tsy izaho no lehiben’ireto vahoaka ireto? Horoahiko mihitsy i Abimeleka». Dia hoy izy tamin’i Abimeleka: «Hamaroy ny miaramilanao, ka mivoaha».


Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»


Ary amin’izao kosa inona no vonona eo am-pelatananao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tanako na izay sendra hita».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra