Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»
Genesisy 47:13 - Baiboly Katolika Dia tsy nisy hanina intsony tamin’ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon’ny mosary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana. DIEM PROTESTANTA Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin’ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahàna dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nisy hanina teo amin’ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. Malagasy Bible Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. La Bible en Malgache Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy sakafo teo amin’ny tany rehetra; mafy indrindra ny mosary ka reraka ny tany Ejipta sy ny tany Kanana. |
Dia izany hanina tahirizina izany, no ho fitaovana amin’ny fito taona mosarena ho tonga amin’ny tany Ejipta; dia tsy ho levon’ny mosary ny tany.»
Ary hoy i Akaba tamin’i Abdiasa: «Mandehana mitety ny tany, mankany amin’ny loharano aman-dranon-driaka rehetra, fa angamba hisy ahitra, ka hovelomintsika ny soavaly sy mole, ka tsy hamonoantsika ny biby fiompintsika.»
Dia hoy i Iaveh: «Satria izy ireo nahafoy ny lalàko, izay nataoko teo anoloany; tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.
Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin’ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!
Tamin’izay dia nisy mosary eran’i Ejipta sy i Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika.