Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 46:4 - Baiboly Katolika

Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izaho no hiara-midina aminao ho any Ejipta ary Izaho koa no hitondra anao miakatra indray; ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary; Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa; ary ny tànan’i Josefa no hanirina ny masonao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izaho no hiara-midina aminao ho any Ejipta ary Izaho koa no hitondra anao miakatra indray; ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.

Jereo ny toko



Genesisy 46:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Indro Aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin’ity tany ity. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.»


Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.


Nihohofan’i Josefa tamin’ny tavany ity rainy, ka nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.


Nitondra azy ho any amin’ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin’ny zohy, amin’ny sahan’i Makpelà, izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Heteanina, mba hananany fasana ho azy, tandrifin’i Mambre.


Nasain’ikaky nianiana aho, nataony hoe: ‹Indro ho faty aho, ka any amin’ny fasana nohadiko ho ahy any amin’ny tany Kanaana no handevenanao ahy›. Ka mba te hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray.»


Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.


Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.