Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:5 - Baiboly Katolika

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ankehitriny anefa, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin’ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin’ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ankehitriny anefa, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.

Jereo ny toko



Genesisy 45:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.


Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»


Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?


Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.


Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.


fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.»


Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.


«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».


Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.


mba tsy ho voan’ny teti-dratsin’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.


ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy.


Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,


Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà.